MISY FOTOANA - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Misy ny fotoana hitamberenan’ny lasa, manditsoka ny fo
hisampotenan’ny tsiahy, mandratra ny ao anaty
k’ireo nohadinoana rehetra sy nalevina ho lo
no manangatra maha-ory fa mitsangana amin’ny maty
Tsaroako ‘lay fotoana toy ny sasakalina
nilazanao ‘lay teny nampirotsaka tomany
f’izao tontolo izao na atoandro aza dia fanina
ity foko mba nitia, ontsaontsa valalanina
Eny misy ny fotoana, itamberenan’ny tsiahy
dia ireo fotoana mamy mba niarahantsika.
Eny tiako hiainana ihany na mankarary ny fanahy
fa mba fiainana iny mantsy na dia lasa nangatsiaka
Fa ny sentosenton’ity fo nianjadiam-pahoriana
notsindriako vato sy noperako hoe mangina
saingy injao ao anaty midobodobo-kafaliana
noserananao…dia tsy haiko mahavariana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 755
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY