RAKI-TSAROBIDY ('Lay fo hafa kely)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na niezaka aza aho, ka nikosoka ny lasaNamadika mihitsy, ny pejin’ny fiainako
Ireo zava-bita niainana, indro toa mandatsa
Fa kanto sady mamy, tsy takatry ny fisainako
‘Lay ranomasoko nirotsaka, nofaonao malefaka
Tsy nahatanty ilay safo, nasetrinao ny oroko
Zary lasa tondra-drano, nandrakotra ny tenako
Difotr’hafaliana, ao anatin’ny tontoloko
Fa ny zavatra tsy takatro, nosakanan’ny fisainako
Ireny lasantsika ireny, dia zeziky ny ho aviko
Ka na navadiko aza, izato pejin’ny fiainako
Ny tandindon’ny lasa, raki-tsarobidy ny fanahiko
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/raki-tsarobidy
Sokajy :
Fitiavana