You are here: home > Vetso

TOMPO Ô ! - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Tompo ô ! avelao aloha anio
hivavaka aminao, hiantso hitaraina
fa marary hoa ny foko, jereo ka ampio
fa reraka ny aiko, vizana ny saina

F’Ianao no niteny, fa Fitiavana no lehibe
sy tokony hitoetra, dia nino tokoa izaho
saingy indrisy fa lasana, tsy tana fa nandeha
ilay tokana malalako, indro lasana nandao

Ka hifonako Tompoko ô ! raha ity vavako ity
izay asandratro Aminao, tsy toy ny mahazatra
fa mijaly ny foko, ity foko mba nitia
fa nilaozany e ! nisintaka nandao ka nandratra

Ka mifona Tompo ô ! fa fitiavana no foto-bavako
ho alefako any Aminao sy antsoantson’ny tia
nofikiriko am-po ihany, mafy ka tsy zakako
ny fahanginana hiainana, tsy mba mety very dia

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1005
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY