TOMPO O! HIFONAKO - 'Lay fo hafa kely
Tompo o ! hifonako ny kiry, hifonako tokoa
f’ity foko mantsy maniry, maniry mba ho soa
ny ampitso hilofosako, hiadivako androany
ka zary tsy tsaroako, Ianao ilay nanao ny tany.
Tompo o ! hifonako ny ady, hifonako tokoa
fa na dia ny andro alahady, mbola hiasako ihany koa
hadinoko mihitsy, izay mba andro fitsaharana
fa dia asa lava, fivelomana e ! fitadiavana.
Tompo o ! hifonako ny hira, hifonako tokoa
sanatria tsy hoe maniratsira, fa manentana ny fo
hiatrika ny sedra, sy ito làlana mbola ho diavina
ka mikalo izay voakalo, tsy mba nisy izay nolavina.
Hifonako daholo ry Tompo, eny hifonako tokoa
ny lasako omaly tsy tsaroana, niotazako ny soa
sy ny maro sesehena, tsy takatry ny saiko
izay nomenao mba ho ahy, hamelomana ny aiko.
Koa raiso ry Tompo, aza lavina izato fifonako
fa avy anatin’ny fo, nokotrehin’ity lohako
mibebaka fa diso, ka ny androko ho sisa
hatokako ho anao, hihirana fiderana, fiderana an-tapitrisa
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 818
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY