OTRIK'AFO (Le Myosotis)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao midofadofaka ao
mila hanempotra ny foko,
afo iray tsy mety maty,
otrik'afon'ny fitiako
fe fahiny.
Injao ao anatiko ao
mampidonaka toloko,
toa hiredaka tsy tanty,
nefa tena novonoiko
izy iny.


Noanotofako azy daholo
fony izy hain-trano
ka tsy nahitako tory,
na ny sento aman-taraina
mampanjoko,
nanotofako azy daholo
na alahelo sy ny rano-
n'ireo masoko mahory
ndrao handrobaka 'ty aina
mitoloko

Injao toa matiko ilay afo
rehefa injay nitondra ratra
'zay nanolatra mangina,
ity foko mahonena
mitomany,
holatra mivatravatra,
tena hola-pijaliana-
n'ilay fo 'zay noratraina
aok'izany;

Tsy ho levona doria
na ho lefin'ireo ora
sy ny andro fe mandriaka
eny an-dalan'ireo taona
mifanjohy :
aloalon'ny fitia,
loko iray tanoranora,
soritra iray baliaka
tsy ho matin'ny fotoana
'zay mitohy.

Nony injaymitody ety
ka mipololotra fatratra
'rony tsiokan'ny tsiahy,
injao ilay otrik'afo kely
toa natory
fa mivaivay ery
sy tsaroako fa misandratra
toa hanafotsafotra ahy.
Injao ny setrony miely
maha-ory.

Tamin'ny androko maraina
no nisoronako azy
tao an'alitaram-poko
fony 'zaho vao nahalala
ny fitia,
tamin'ny ora volamena
no nandrombahako azy
fony mbola nokaloiko
'rony endrika malala
ho doria.

Ao an'alitarako ao
ao anaty foko latsa
injao fa tsofin'ny tsiahy
otrik'afo fahagola
to tsy maty,
injao midofadofaka ao
mampitodika ny lasa
mampisento 'lay fanahy,
eny, injao tsy mety tola
ao anaty.

Mbola hoavy indray hianao
ka hiredaka handrotra
ito nofo mihararetra
sady mangana toloko?...
Mahonena!
Moa hoavy indray hianao
toy ny tena ankoatrahoatra
ka hanetroka amin-tsetra
sy hanempotra 'ty foko
noratraina...?


Le Myosotis(Aloka sy tsiky)
--------
Rohy:
877 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Le Myosotis
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 29/05/2021 12:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105