ARA-NOFO FOTSINY IHANY (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Nakipiko ny masoko teo ampahitana ny olontiako nanoroka olon-kafa aninkeho. »
Sendra mba nandalo aho ka tojo sy nahita ny oroka mafana nifanaovan’izy ireo,
Tsy hitako ny lalana, maizina ny andro, farina ny feo…
Fa nifamahofaho tao an-tsaina ny anton’ilay oroka : angamba izy leo…
Nefa vao omaly tontolo, tsisy fetra, tsisy isa ny ambony ambany vitanay,
Nifamadibadika am-pandriana, teo ambony seza indraindray,
Mila mandro kely dia namerina indray…
Omaly efa maty masoandro aza teo ambavahady
Avy niasa iny dia nanao ny fomban’ny mpivady.
Ny alina tontolo tsisy torimaso vita fa fitiavana no betsaka
Resi-tory kely, dia raikitra indray, tsy nisy hoe reraka…
Tena tia na izaho na izy, samy naka fy…
Saingy tsapako amizao fa hay izy tsy nitia.
Tsy nitia ahy mihintsy na iray minitra monja
Fa nanenjika isa fotsiny, nanala izay mafonja.
Rehefa ravany ny mamiko, voavetavetany ny amiko
Dia niova olon-kafa indray izy.
Iangaviko ianao raha mihaona aminy, lazao izy veloma hoy i Fara
Lazao azy marimarina fa tena nankafiziko na teny ambony seza na ny teny amparafara
Ary tsy mampaninona ahy na mbola hiverina izy androany
Fa tiako loatra izy ka tsisy miala izany.
Na dia fitia ara-nofo fotsiny ihany.
Lebota.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3514 1
Hevitra mandeha
badoul ( 27/04/2012 07:12)
aingam-panahy nama zany a!
Laaris ( 07/07/2012 10:44)
Rats b zan nataon zan a!fa l ionspiraka tafapetraka tsara.Mlay e!
Laaris ( 07/07/2012 10:44)
Rats b zan nataon zan a!fa l inspiraka tafapetraka tsara.Mlay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : LEbotakely
Daty : 30/06/2011 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142