MEVA (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô !
Aoka tsy akipinao
ny masoko,
te hibanjina
ny bika
sy ny hatsaran'itsy
"Eva"
Haritanan-dRainao
Ary anao,
Hitalanjonako
Amin'ny endriky
Ny "Fanaperana" atarany
taratry ny "Tavanao".
Sokafy izao ny masoko
Hahitako anao
am-batana
amin'ny endriky
ny hafa,
ka igagako
ny harinao
voakolo tsara asa !
Nefa aoka tsy hijanona
Am'izao hetsiketsiny,
ny rentiny sy bangony,
ito masoko mangaina
te handinika ny "miafina".
Aoka tsy hibaiko
ny eritreritro sy foko
te haka azy ho ahy
ny masoko,
fa mba ho afa-po
amin'ny tazana ataony
Hiverenany aminao.
Aoka anefa tsy hidy
koa ny foko
ka hanova ny hatsarany,
ho filàna hafa indray.
Na hanjary mpankahala
izay rehetra tsy ho ahy.
Aoka mba ho tsapako
Fa tsy ho ahy izy
na tsy natao ho ahy irery.
Aoka kosa anefa ny hafa
Tsy handravarava foana
ny endrikao atarany.
Aoka ireo "Adama"
Tsy ho voasariky ny "paomany"
ka hioty
izay tsy azy,
fa hanaja ny "Mpahary"
nanankambana ho iray
ny lahy sy ny vavy
ao anaty mariazy.
Fa "Eva" iray
"Adama" iray.
Voasoratry ny teniny.

Lebota
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 03/10/2003 09:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146