Mitrakà ! (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitrakà ka aza kivy, aza miondrika ao intsony
Mitrakà, efao ny adidy dia ny lasa avalony.
Mitrakà dia mitrakà aza resy tsy miady
Mitrakà dia mandehana fa ny resy no mandady.

Mitrakà dia hevero fa tsy jalinao irery
Misy namana manampy ka tsy "adi-manirery"
Mitrakà dia mijoroa, mitrakà dia mitrakà
Fa ny fitrakàna ihany no herim-pon-dehilahy.

Mitrakà ! Eny ! Mitrakà ry zandry kely,
Mitrakà ka aza lavon-java-tsadon-kery.
Mitrakà dia miorena, itsangano ny finoana
Fa ny herin'io ihany no mahatonga fandrosoana.

Mitrakà mba ho andrin'olon-tiana tena tia
Mitrakà ka atrakao koa ireo diso trano, very dia
Mitrakà ka ny fonjam-bato nangeja fo anao
Dia ataovy vatolampy andry iankinanao.

Mitrakà fa tsy mbola vita ny adim-piainan-dratsintsika
Mitrakà dia mitsikia; Mitsikia dia mitrakà :
Mitrakà fa lehilahy !

Lebota (Clarys)
--------
Rohy:
2404 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 06/05/2004 06:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014