Ny tena hoe sakaiza (Lebota)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA HOE SAKAIZA


Efa fantatrao fa ny namana rehetra tsy voatery ho sakaiza avokoa
Fa ny tena iantehero hilazana secret dia ataovy iray ihany na raha betsaka dia roa.
Ny ahafantaranao azy iavahany amin’ny maro dia ny tsikitsiky atolony,
Sy ny teny mba fameriny tena avy ao am-po fa tsy eo atendro-molony.

Fa ny teny hoe sakaiza dia mitovy tsisy hafa amin’ny teny hoe “izaho”
Ka na eritreritra mandeha na fijery mifandaka dia mifanojo tsotr’izao,
Satria mifandray tendro, mifanoro-paka ny mpinamana ao anaty
Ka na varatra hipoaka, na tselatra hivaika dia iarahana mitaty.

Fa tsy ho rava n’inon’inona ny fifamatoran’ny tena mpisakaiza
Ka na lavitra any ho any na tsy mifankahita, eny hatraiza hatraiza,
Dia sento indray miainga no mamoha ny tsiahy niarahana hatrizay
Izay lasa tsy ho faty fa ho velona hatrany amin’ny fo mitempo iray.

Tena hoe mpifankatia mifamatotra fiainana ho tena iray tam-po
Ka na jaly na ankaso, n’inon’inona mitranga n’inon’inona manjo
Dia tsy ho rava n’inon’inona ireto mpisakaiza, miarak’ory miara-paly
Mifamatotra eny foana, miezaka isan’andro ho namana idealy.

Fa ny tena hoe sakaiza dia sarotra adinoina, ary tena tsy hadino na dia hoe minitra iray
Satria ny manadino azy dia tsy mba taona maromaro na taon-jato koa fa doria mandrakizay
Mba hahita azy ianao dia tsy maintsy aloha ianao koa tena mba sakaiza, sakaiza tena marina
Raha tsy izany manko hanao ahoana no hahafantaranao ny toetra izay amboarina?

Ny azo itokisana dia tsy zato na arivo, tsy folo koa na sivy, fa iray anaty isa an’alina
Toy ny volamena afaka mamiratra na dia latsaka any ambany tena anaty rano lalina.
Ny toa azy irery ihany koa anefa no afaka mahita sy afaka mampita ny famirapirany
Fa betsaka ny fitaka ao anaty rano afaka mamiratra toy ny trondro misy kirany.

Ka izaho re sakaiza no azo hamaranana ny resaka hoe : namana.
Aza mba sodoka izay resaka fanaony mety ho tsara lahatra, tena tsara vahana,
Fa izay tsara fototra mamboraka ny ainy sy ny tena mba fisainany am-tsikitsiky ihany
Izy no sakaiza, sakaiza tsy mivadika, sakaizanao hatrany.

Kanefa tadidio fa zara raha misy raha mbola eto an-tany ny namana ohatr’izany.

Clarys – 11 Avril 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
3523 0
Hevitra mandeha
bnoty ( 10/11/2005 08:36)
marina 'zany é! ekeko am-pitsikitsikina é!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 07/11/2005 06:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109