Indramiko.... Ao fa mba (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indramiko....


Ao fa mba indramiko
Ny sainao raha mety
Entiko handinika ny hoaviko
Fa ny ahy simba vetivety

Reraka, trotrakin'ny jaly
Tsy afaka mandinin-davitra
Mahatsiaro tsisy mpamaly
Ilay saina efa ho antitra

Indramiko hoe ny fonao
Entiko hitia iny olona iny
Fa ny ahy efa torotoro
Simba mandrak'ankehitriny

Indramiko, fa satria efa resy
Trotrak'ilay lasa maharary
Noho ireo sedra mifanesy
Sy ilay fitia tsizarizary

Indramiko ny ranomasonao
Mba hamborahako alahelo
Mba hampitony ny anatiko ao
Ilazako ireo tsiambaratelo

Indramiko hoe ny herinao
Entiko misedra ady mafy
Fa efa feno fery anatiko ao
Satria niezaka ny niafy

Lee Andrianalaina
1juin 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
201 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 12/07/2021 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01