Raha handao (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha handao....

Raha handao ianao
Aza mitoetra intsony
Tohizo iny lalanao
Raha izau hampitony

Fa voninkazo vao nitsiry
Ity fiavako ry lala
Ka tsy hitsoka ve tsiriry?
Odinao tsy mahalala..

Raha mbola handao ihany
Aleo tonga dia tsiory
Fa efa leo ny tomany
Ity foko zatra ory....

Raha handao izato tsiky
Sendra mba niserana....
Iza ndray moa ry iky....
No ho voninkazo fanaperana

Raha handao dia izao...
Mandehana tsy manahy...
Fa tsy ho zakako ny ao
Mampahory ny fanahy

Raha mieritreritra handao
Aza misalasala intsony
Etsy omeko ny lalanao...
Maniry ny ho eny ambony.

Raha handao ahy ianao..
Indray andro tsy fantatra...
Mandehana izao dia izao
Fa ity fo leo tebiteby....


Lee Andrianalaina
22 octobre 2021
--------
Rohy:
434 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 25/10/2021 02:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145