Rahoviana - Lee Andrianalaina
Azo vakiana?
Rahoviana....
Ireo zatovolahy sy vavy mitovy taona amiko....
Mifampitantana eny en-dalana tsiroaroa
Mifampijery sy mifamihina
Mifankatia tsy mifankafoy....
Tsy manahy ny ampitsony...
Fa fitia no ianteherany.....
Fa ny fiainany efa tony.....
Raha sendra diso fiheverany...
Indreo misy namana ianteherany
Liana ahy mijery izy ireny
Mifampitantana, mifankatia
Mitovy taona amiko.....
Nefa izaho, mandeha irery
Satria tsy misy mpitia....
Ny androko toa alina ihany
Izy ireo manana namana
Hizarana ny am-pony....
Raha sendra sento ka tomany
Misy namana hampitony....
Nefa izaho... mandeha irery...
Koa satria tsy misy mpitia
Ka mangina tsy sahy miteny
Fa manohy ny dia......
Angamba indray andro any
Hazava ny aloka nanarona...
Ho foana ny sento sy tomany..
Hahare olona hiteny an-tsofiko
Hoe tiako ......tiako ianao....
Ny androko toa mitovy alina ihany
Indray andro, mbola ho tojo izany anjara izany....
Fa tsy fantatra izay ilay tiana
Manotany tena hoe rahoviana?
Rahoviana vao hisy bitsika
Malemy ao an-tsofiko ao
Ny teny hoe tia malefadefaka
Hikoriana ao am-poko ao
Rahoviana ary.....
Lee Andrianalaina
28 août 2021
Hevitra mandeha
Hatenaina (22/09/2021 11:51:13)
raims randriamalala (23/09/2021 07:31:41)
mahafinaritra!!! hoatry ny hoe hitako eto ianao lay mandeha irery, dia mahita olon-droa mihanoka fitiavana!!! hihihi
tsara e!!!
Mombamomba
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
(1).jpg)
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 29/08/2021
Mpamangy : 263
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Fery tsy nikatonaAdala
Aoka
Raha handao
Tsy fitsara....
Efa hafa indray
Teneno aho..
Nahoana no tsia...
Maika
Niangaranao