Ilay akany nitaiza (Lily-Noelyne)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny any aminay 'lay akany nitaiza
Tsy mety hadino na aiza na aiza.
Na lavitra mantsy na mbola akaiky,
Ny akany nitaiza tsaroa-mampiaiky.

Ny any aminay 'zay tsinjo eny ho eny
Toa endri-mitsikin'i dada sy neny,
Ka rah'malahelo fa saraka ny any,
Mionona kosa mijery an'izany.

Ny any aminay tsy sasa-miandry,
F'ireo kalokalon'ny zoky sy zandry,
Rah'mbola lavitra ery am-bavahady,
Ny feon'izy ireny dia heno sahady.

Ny any aminay dia feno koràna:
Miara-mivory eo andrefan-tanàna,
Miantso tsiriry mandalo hariva,
Mijery, mitsinjo ny masoandro iva.

Ny any aminay 'lay akany nitaiza.
Na hilaozana aiza na hilaozana aiza,
Tsy mety hadino, vao mainka tsaroana,
Takon'ny maso fa io manoloana.

Ny any aminay 'zay tsara fivoatra,
Mitokana ihany fa mamiko loatra;
Akany nitaiza ny fahazazako
Ka tena tsy foiko fa nihantahantako.

Lily-Noelyne
( Vaovao frantsay-malagasy, 2 mars 1951 )
--------
Rohy:
793 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lily-Noelyne
Nampiditra : hery
Daty : 24/09/2019 17:17
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106