IANAO sa IZY ? (lolash)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsy maintsy aho ny hifidy
ho ianao ve sa ho izy
dia aoka ho lazaiko tsotra
f' ilay fitiavako miavosa
ampy ho zaraina tsara
ho anareo sy kala FARA.

Samy tiako sady mamiko
tsara indrindra sady laniko
fa ianao sariadrika
izy kosa tsara bika
ataoko ahoana no fifidy
f ianareo toa sarobidy.

Aza asiana tabataba
f aoka hilamina ry MIHAJA
ianareo toa samy tiko
ka iza ary no ho fidiko ?
sa ho hajanoko daholo
ho hadinoiko manontolo ?
lazao zay azoazonao
mifidiana zao dia zao.
--------
Rohy:
1764 0
Hevitra mandeha
arialy ( 06/10/2010 09:53)
iza no mifidy é, enao sa izy ?
lolash ( 06/10/2010 10:03)
izaho no asainy mifidy saingy satria tsy afaka ny hifidy aho dia aoka izy no handray fanapahakevitra na ho tohizana na ho ajanona daholo izy roa.
SANGISANGY io fa tsy tena izy an, sao dia hoe maditra ko zany lolash zany, lol!!!!
Soarilala ( 06/10/2010 12:21)
Ny safidy izany dia na ho tohizana ny fitiavana azy roa miaraka na hajanona daholo izy roa fa tsy afaka hoe izy irery ihany fa tsy zaraina amin'olon-kafa .....Aleo kosa izy mba hisafidy izay tiany fa tsy izay tianao rehefa tsy afaka hisafidy ihany ianao!!!!!
pisokelinah ( 06/10/2010 12:58)
tantara be an!ary raha tohizana d atambaro ao e!refa tsy mahazaka miala!!!!sarotra be tsin zany hisafidy zany nefa samy tiana!!!!!
dadatsima ( 20/02/2012 22:47)
mety e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lolash
Nampiditra : lolash
Daty : 05/10/2010 20:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098