Naleoko (Lys.AR.Délisa...)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
naleoko ihany ianao niery tany ho any,
tsy niserana ny masoko mijery
nantenaiko hampangina ny tomany
kanjo indrisy nampanonitra ny fery.

naleoko ihany tsy nisaina ny aminao.
ka nanokatra ny foko sy ny rakiny
nantenaiko ho fifaliana ny endrikao,
kanjo indray ny sento-poko no nivakiny.

naleoko ihany tsy nandray ny tsikinao,
ho porofon'embonembona sahala.
satriko aza tsy nandre ny molotrao
nitanisa ny nanonona ahy"malala".

naleoko ihany tsy mba nanana fitia,
fa nimaona samy irery tsotra izao.
tsara ho ahy ny tsy namboraka satria,
sarotra amiko ny manadino anao.

naleoko ihany tsy nanoina akory anao,
tamin'ny antsoko nataoko fa ho mety,
mamiko aza ny mangina tsotra izao,
raha nampoiziko hanadino vetivety.

naleoko ihany nokotrehina mangina,
ilay fehezam-pikasàna tao anaty.
naleoko ihany dia tsy nanan'olo-tiana,
raha VOADY tsy ho VOAHAJA mandra-maty.

Lys-AR-Delisa ...& Ako-Vonjisoa.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1370 2
Mpakafy: ombre - ari.malala
Hevitra mandeha
ombre ( 02/12/2006 09:07)
lalàn'ny fitiavana daholo izany rehetra rehetra izany.
Soarilala ( 12/06/2010 22:33)
Tahak'izay izany tsy nanoina ny antsonao, tsy nandray ny tananao no tsy namihina anao ...saingy indrisy fa diso aoriana loatra satria efa lalim-paka ilay fitia.
Atao ahoana ary e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lys.AR.Délisa...
Nampiditra : njaf
Daty : 01/12/2006 07:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136