You are here: home > Vetso

Ireo dobo manga roa - maeva74

Azo vakiana?

Ireo dobo manga roa

Dobo kely maha te ho tia,
Mibaliaka toa azo hitarafana.
Nanintona ny fitiavako toa andremby
Izato jerinao toa mitory fitiavana.

'Ry volana ambony, raha vao mibaliaka
Dia hita ny hatsaran' ireo endrikao
Dia toy ny tana-masoandro be manjopika
Raha vao mihiratra ilay jerinao


Nampientana sahady ny fo ato anaty
Naniry ny hiara-dalana aminao mandra-maty
Toa loharano maha-te hilomano
Ireo masonao manganohano.

Ireo dobo manga roa

Maeva74 ( Juin 2010)

Hevitra mandeha

fitiamirana (06/06/2010 12:12:08)

Miqsaotra nizara akia !Kanto foana e !

maeva74 (07/06/2010 11:09:43)

Mankasitraka hatrany e!!!