Ny...ko (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny…ko

Ny fiainako…
Tsy fiainana fe fiainana
Rakotry ny fanaintainana
Na fiainam-pahoriana
Anjakan’ny fijaliana
Fa fiainana voarindran’
ny Herin’Ilay Avo Indrindra…

Ny hirako…
Tsy hirahiram-poana
Entina handaniam-potoana
Na hiran’ny adala
Tsy misy mahalala
Fa hira tena ilaina
Mamelombelona aina

Ary ny fitiavako…
Tsy fitiavana miserana
Mety ravan’ny elanelana
Na fitia mandalo foana
Mora ravan’ny fotoana
Fa fitia tena maharitra
Ka mitohy hatrany an-danitra…

Izay ny hirako zay fiainako
Sy mitory ‘lay fitiavako…

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
1122 0
Hevitra mandeha
zazake ( 30/05/2005 16:40)
Miombon-kevitra aninao aho aloha . Ary tena tsapako tamin'ny fianako izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139