Tsy noho ianao... (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NOHO IANAO…

Tiako ianao malala…

Tsy noho ianao tsara tarehy
Tsy noho ireo tsikinao sy hehy
Tsy noho ny bikanao tsara
Tsy noho ianao aran-tantara…

Tsy noho ny volonao lava
Na ny masonao mazava
Tsy noho ianao tsara fanahy
Na noho ianao mendrika ahy

Tsy noho ianao nanaiky koa
Tsy noho ny amintsika roa…
Tsy noho ianao sariadriaka
Tsy noho ianao tsy mba masiaka…

Tsy noho ianao…sy ny sisa...
Tsy noho ianao…tsy ho voatanisa

Tsy noho ireo rehetra ireo
No itiavako anao
Fa ilay fitiavako efa teo
No mahatonga anao ho “ ao”!

Tiako ianao na dia adala…

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - tsara - fitiavana
1602 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141