Vaky ny ady! - Mahefa Randriamiarisoa
Tsy mahasakan’ahy tsy hifaly raha ny halaviran-tany
Tsy mahatohitra ny foko, tsy hitepo haneho fitia,
Raha ny lanjan’ny tomany tsy hampiova, sanatria
Ny herin’ny fanantenako : Izay no aingako aty.
Raha ‘zay vola tsy ampy lava no haha-ketraka ny saiko,
Raha ‘reo olon-kirian-dava no hampiferotra ny aiko,
Dia hanjary zava-poana, ‘reo sorona sy fihafiana
Nentiko nanangan’ady taminao rafahoriana.
Ianao koa rafahantrana, miomàna ny ho kamboty
Fa handao anao tsy ho ela ireto havanao mahatoky:
Dia ny fisalàsalàna, hakamoana, fanao ratsy,
Ho avy handalo fitsaràna, ho voaheloka ho faty.
Mitsangàna ianao raha sahy ka tohero ny hambom-poko,
Avy aty raha lehilahy sahia mandà ny fandrosoako,
Satria raha ny amiko no heverina, maty paika ny rehetra
Roso ‘ty ka tsy hiverina, fiadanana no fetra!
Ma-F
Hevitra mandeha
tsimanontanilahy (09/05/2006 11:07:38)
Tsotra sady marina, fa avy eny Ambohimanarina
zandrikelytf (10/01/2013 16:18:10)
Mombamomba
Mpanoratra : Mahefa Randriamiarisoa
Nampiditra : vazimba22Daty : 27/11/2003
Mpamangy : 3445
Mankafy : 0