SAMBATRA - MAHEFALISON
Azo vakiana?
Sambatra ianao!
Sisa angamba izay no mba singam-pifaliana
Entiko hanamaivana ny foko efa sina,
Izay no azo avoitra anaty
Hahalevona ireo tsy tanty.
Fa ankoatr’izay,
Toa nandoro nanafay
Ireo takaitran’ny tantara
Zary hantsam-be nampizara
Ireny tanantsika roa
Nantenaiko tsy ho lo.
Saingy indrisy
Fa fo iray mitempo sisa
No mitoetra manirery
Manoloana izato fery
Mangirifiry ato am-poko
Nosimbain’ireo toloko.
Zary nampivadika ny rasa
Ireo hetraketraky ny lasa
Otrik’afo izay nandoro
ireo zava-nokasaina
Nantenain-tsy hikoro
Kanjo indrisy very maina.
Eny, aza ahoanao akory
Ny amin’ireto kamory
Na ho vonto ranomaso;
Aza ahoanao koa
Ny hanjo an'ity fo
Na hiharan’ny ankaso.
Fa ny lalanao tohizo,
Ny lakanao voizo,
Dia aza miherika intsony
Fa ... efa miandry anao ny fony!
Eny mino aho angamba
Fa mihiratra aminao ny fony
Tsy toy ny ahy efa jamba.
Antenaiko fa ho tony
Ny ainareo tafatambatra,
Hiara-dia sy ho SAMBATRA.
07/02/01
MAHEFALISON - in ''Mangiran-dratsy, tak.25''
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MahefalisonDaty : 12/03/2020
Mpamangy : 245
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY NIAMBOHO ADIDYNANKAIZA IANAO?
Mbola ho lava ny Alinao!
NY ADIKO
TIAKO
JIRO MITSILOPY
TSARA MANDRY RY ALINA!
SORONA
FITO METATRA
TAKON'ILA