Ho inonao ?? (mahorani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONAO ??
Ho inonao moa izay tomany;
Manamaloka ny tavako ?
Ny ranomasoko mavany,
Mampangidy izany vavako?
Ho inonao ny sentosento,
Apololoitrako tsy miato !
Ny toloko vetsovetso,
Mitobaka ato anatiko ato?
Moa ho inonao akory,
Ny aretina mahatonga ahy,
Hipitrapitra tsy matory;
Very saina sy fanahy???
Dia ho inonao anefa,
Eny, ho inonao moa;
Ny alaheloko rehetra:
Izay manjary aretim-po?
Ndeha ny lalanao no zory
Nolavinao ny fitiavako;
K'aza irinao ho hay akory:
Ny HAVESARAN'NY HASASARAKO!!!
--------
Rohy:
1905 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianis
Daty : 08/04/2004 14:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01