KANTO (mahorani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KANTO
Mifona aho retsy ry KANTO tsy foiko,
Mivalo aho tato ho ato fa varimbariana;
Voaremby ny saiko ka toa nohadinoiko;
Ireo koranantsika ka zary nariana,

Aza averina amiko fa tsapako izao;
Izany nilaoza-nitoetra mangina!
Haiko fa nahatsiaro ho irery ianao,
Miala tsiny aho ho'aho; aza dia manakiana!

KANTO a!
Holazaiko raha toa ianao ka manontany;
Hoe hatraiza sy hatraiza ny filàna anao?
Tena azoko averina izany androany;
Fa sambatra ny saina izay onenanao!

Faly satria ireo tsara niainana,
Ampitomboin'ny nofy ka mamy aok'izany!
Ary ireo mampalahelo, manjohy fitarainana;
Aetrin'ny vetso ka mihelina ihany!

KANTO a!
Baikoinao ny voaary ka he! miramirana
Voasesika kalo, angolainao mora!
Resenao ny sento;ka zary sahirana!
Vao iserananao, dia efa lofika, tola!

Ny fisianao no hanitry ny aina!
Fa ao aminao ny tsy lany hamamiana;
Ny andalovanao ho'aho, no ravo ao an-tsaina!
Diboky ny antsa, fa feno hafaliana!!

Mifona aho retsy, ry KANTO tsy foiko!
Mivalo aho tato ho ato, fa varimbariana!
Ny toky nomeko dia tsy ho adinoiko,
Ireo koranantsika? Ao...tsy mbola nariana!

Tsy averiko intsony, fa efa tsapanao,
Ny hasarobidin'ny voady sy dina;
Hainao tsara fa manomboka izao;
Anao aho!!! Anao irery mangina!!!

Mahorani
Ce 17-04-06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2055 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianis
Daty : 21/04/2007 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094