Mpanjono nangaina - mahorani
MPANJONO NANGAINA
Lasa dia lasa ny sainy:
Variana nanaiki-panondro!
Vaka izy, tena tsy hainy;
Fa tsy homana mihitsy ny trondro!
Toa very foana ny kankany,
Matsatson'ny rano sy lany!
Nandrasany, tena nadrasany:
Fa tsisy mba niakatra avy any!
Fa nankaiza daholo ary ireny,
No tsisy manaikitra akory;
Sa ny feony miteny irery;
No reny ka zary ifendroany?
Ny nifohazany maraina anefa,
Mba hitondrany laoka any an-tranony;
Ny masoandro ity efa hilefa,
Tsy mba trondro iray ao an-karony!
Tsy maintsy izy mody amin'izay,
Na misy ny trondro na tsisy!
Ireo vady aman-janany izay:
Nanantena mba hanao frity!!!
Vazivazy iny ny ahy ka ihomehezana;
Sangisangy ka zary itsikiana!
Kanefa raha tena hofehezina;
Dia fananarana raha zohina!
Fa maro ny olona an-tany;
Manantena ny hahita ny soa;
Mitady ka mitady ihany;
Tsy misy ka atao ahoana moa?!!
Dia ireny tsy ambinina ireny;
Tsy ho vita raha hotantaraina;
No oharina indray miteny:
Ho toy ilay "Mpanjono nangaina!"
Mahorani (Sejianis ihany)
Hevitra mandeha
Clarys (13/05/2004 07:07:26)
Mahafinaritra kah ! Ho anay tia jono dia marina io ka misaotra anao. Efa ela tokoa aho izao no tsy nanjono !!!
Merci an !
Mombamomba
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianisDaty : 02/04/2004
Mpamangy : 2157
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SAMBATRA HO'AHOSAMBATRA HO'AHO
SAMBATRA HO'AHO
NY LASA
TSY IZANY NY FITIA
TIAKO FOANA
KANTO
Namako
Ho inonao ??
Sampanana