NY LASA (mahorani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LASA
Iny lalana iny
Falehako fahiny
Toa zary
Tsy tiako ankehitriny
Fa tsy hitsena azy intsony aho!!

Ka izy ary moa
Tsy toy ny taloha
F'efa lasa
Ka ny ahy anie ny fo
Sasatra, mitalaho!!!

Izaho mbola mahatsiaro
Ilay fitia
Miserana mihalohalo
Ny endriny akia!!


Fa aiza izy izay
No tsy mety mandalo intsony
Mangina angamba ny fony
Fa aiza izy izay
No tsy mahatsiaro intsony
Irony lasa irony!!!!!!!!!

Tsy ho haiko hozakaina
Ny mifoha maraina
Satria
Tsy eo intsony izy
Ka zary mangina aho, irery!!

Ny omaly, ny lasa
Maneso, mandatsa
Toa faly
Mahita ahy mangina
Sy lasa saina toa very!!

Izaho tsy mety mino
Ny mahazo ahy
Mikiry tsy mety hanadino
Ny ati-fanahy!!

Miverena re
Fa efa elabe
Ity foko no miandry
Tsy tafandry mandry!!!

Mahorani
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2061 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianis
Daty : 08/08/2007 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131