TSY IZANY NY FITIA (mahorani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IZANY NY FITIA!

Heverinao ve,fa vao ianareo irery
No vao hoe nitia teto amin'ny fiainana?
Mifanjohinjohy foana, tsy menatra mpijery
Tsy izany no fitia, fa mba asio fisainana!!

Maraina sy hariva, hifanenjika an-tanety
Manantena ny ho avy, hanaraka ao aoriana
Mifandany andro eny, tsy mahalala fefy
Tsy izany ny fitia, fa aza dia variana!

Tsy izay manome toky, no soratana ho vady
Ka entina ihamboana, imason'ny vahoaka
Heverinao ve, fa izy ilay nivoady?
Dia ho anao irery? Tsy izany, tena aoka!!

Izany hoe mifankatia, mibanjina ny ho avy
Mahafoy ny fisarahana, hanorenana ny ampitso
Ny tositosy izany, manaraka ho azy
Fa ny iafarana aloha, no iezaho sy hamafiso!

Mahorani
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2447 0
Hevitra mandeha
volana1 ( 28/08/2007 12:17)
Aiza kosa e ! masiaka loatra ianao kosa e ! Izay tsy nitia ohatr'azy ireo no aoka hitora-bato azy, mandalo zany fa matotra eny ihany izy rehefa mandeha ny fotoana.
sejianis ( 22/09/2007 14:18)
eny mantsy ry volana1, raha mba nanjo anao tokoa dia tsy ho niteny izany ianao!
nefa misaotra fa misy tokoa ny mba azo itokisana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianis
Daty : 07/08/2007 15:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098