You are here: home > Vetso

Ray - Maminiaina

Azo vakiana?

Tsy mba misy mianatra
Ho tonga ray,
Fa samy entin’ny fiainana :
Fiainan’olombelona,
Fiainam-pianakaviana
Fiainana sy fahafatesana.

Tsy mba misy mianatra
Ho tonga ray
Kanefa indro mandrotsirotsy
Indro mamahàna
Indro milalao
Indro mitantara
Indro manambitamby …

Tsy hianarana ny hoe ray
Fa vokam-pitiavana :
Fitiavan-janaka,
Fitiavam-bady, fitiavan-dreny,
Fitiavan-dray amandreny.

Ray, roa, telo …Vita ve ?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Maminiaina

Nampiditra : maminiaina
Daty : 19/06/2004
Mpamangy : 512
Mankafy : 0