NOELIM-PAMONJENA (MAMPANDRINIAINA Manitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noely sasak' alina...
Efa mba nomanina
Ato anaty trano bozaka
Ny fatipatin-kapa efa drodraky
Ny fiainana.
'Ndeha mba hitarainana
Amin' ny dadabenoely.
Eny na dia hoe vatomamy kely
Hanalana ngindim-bava aza
No mety mba sahaza.

Fa tsisy kitro raitra
Fitondranay mianjaika
Azo hosotrosorana sy hatao mangirangirana.
Ny kitay hataina sy kapoakam-bary harotsaka aza mantsy manahirana.

Ny sasany any izao.
Mampifaly zanaka mividy akanjo vao.
Fa ny eto?
Fatin-kilalao
Sy korontana vy fotsy no mba narafidrafitra.
Biriky ratsy lasitra
No mba atositosiky ny zaza eran' ny trano.
Maitso ahitra foana fa tsy mba fara-rano...

Na efa andro fety na andavanandro tsotra.
Tsy afaka mamokatra fa tompon-tany kotra.
Fadiranovana eny...
Kamboty ray sy reny.

Na izany na tsy izany.
Mba fantatra eny ihany!
Izany hoe noely sy krismasy izany fa androm-pamonjena.
Nanao fifanekena
Tamin' ny olona Andriamanitra
F' hanolotra ny zanany.
Ilay tanana ankavanany
Hanavotra ahy sy ianao ary ny olona rehetra.
Ary Izy efa tomoetra
Ao am-pon' ny tsirairay...
Kristy ilay zanaka natolotr' Izy Ray.

Dadabenoely a!
Rehefa mandalo ianao dia mba lalovy ihany ilay bongokelinay.
Fa misy ankohonana sy tokatrano izay...
Vonona hanolotra ny rehetra manontolony.
Ny fo mangorangorany,
Ny adiny sy tolony
Ny fanirian-dratsiny koa efa mba nasolony
Ho mendrika handraisana ilay Mpamonjy soa

Kristy Jesoa o!
Na inona tsy misy na inona tsy hananana.
Na inona sampanana
Sy fandriky ny dia
Ianao no hany fiainana
Sy lapako ho doria!

Dia izao ry Tompo tia :
Raha mody aho tsy maheno
Anaro dia teneno
Raha mihodina avereno
Raha lavo koa areno
F' Ianao no efa fameno
Mameno ireto bangako.
K' ity Noely ity anie ho lani-mangamangako.

MAMPANDRINIAINA Manitra


https://www.youtube.com/watch?v=GGXOHUHwOoY&feature=youtu.be
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fety - Fety - Vavaka
1189 2
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 08/01/2018 18:30)
Mafinaritra fa saingy ilay dadabe noely izay hangatahana no toa mbola angano ka tsy afaka hanome izay angatahina e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAMPANDRINIAINA Manitra
Nampiditra : mampandrynyaina
Daty : 21/12/2017 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143