Ho inonao ! (Mampikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONAO

Ho inonao ny amiko sy izay mba hany vitako
Raha ireo manodidina aza tsy hainao hajaina!
Ho inonao tokoa izay tsiambarateloko
Raha tontolo feno siaka sy longoa no inianao lalaina!

Ho inonao ny azy sy izay fiainany any
Raha ny ampitso izay kinasa aza tsy tianao zaraina!
Ho inonao anef izay hany mba nataony
Raha ny tinanjona kinendriny aza toa zary hankahalaina

Ho inonao ny amiko izay tsy vitako tantaraina
Raha ny diam-peniny aza sahinao kobonina
Ho inonao, indrisy tsy vatrako zaraina
Raha ny hany fiaretany no toa isalovanina

Ho inonao ny azy sy izay mba sarangany
Raha tontolo feno fitaka no irianao iainany
Ho inonao ilay tsy maintsy andalovany
Raha ilay seranana tsinjoviny no indrisy tsisy maminy

Ho inonao ny amiko sy ny tontolo izay iainako
Raha ny lasa izay tsy nety no abaribarinao
Ho inonao ny ezaka hotrinariny
Raha ny ho avy tsy tsinapa, ezahinao ankarina

Ho inonao izy iny raha osa sy malahelo
Raha longoa mitoto-bozaka no lazainao ho fahendrena
Ho inonao iky ilay bainga voavadiny
Raha vela-pandrika no solo-dinitry ny tavany

Ho inonao moa izay kapoaka hosotroiny
Na mangidy tsy teliny aza tsy ho tsapanao mihitsy
Ho inonao akory izay vesa-patiantony
Na ilay fara-heriny aza toa inianao hitsiana

Ho inonao ilay fahamarinana notinanany
Raha nosalovanao tamin-kolikoly miampy tamby
Ho inonao ilay hany ravaka diamondra
Raha ny ratrany ao anaty , inianao atao fanamby

Ho inonao izay izaho raha kivy sady ketraka
Raha fandrika sesehena no asainao izorany
Ho inonao ilay fahafoizan-tenako
Raha satro-boninahitra efa vasoka no omenao hanaovany

Tsisy dikany aminao ireny rehetra ireny
Ilay fitiavana zarainy, ezahinao hankahalaina
Ho inonao tokoa, izay fivelarany ara_tsaina
Ho inonao indrisy, mahonena ilay fiaina


MAMPIKANTO 11/09/03 à 00h55mn
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3873 0
Hevitra mandeha
rfanjav ( 24/10/2003 14:04)
Tsy azoko tsara ny tianao horesahina eto
Iza no anontanianao, ary iza no atao resaka?
mampikanto ( 25/10/2003 07:08)
Miarahaba an'i rfanjav ny mpanoratra, ny tiako soratana zany d ny ao anaty fiaraha-monina ihany no anontaniana ary ao ihany koa r'ise ny valiny a!
Misaotra anao nandray anjara sy nitsidika e!

Kanto
limma ( 25/10/2003 12:00)
toa azoko ihany ny tianao ambara saingy lava loatra de lany andro be mamaky zay vao mazava ny tian'ny mpanoratra ambara. @manaraka mou mba ataovy fohifohy e!
mampikanto ( 28/10/2003 15:22)
Mankasitraka an'i Limma nitsidika, hita eo ihany ary @manaraka fa dia ezahina ny tsy hahalava loatra ny inspire ka e!

Mankasitraka indrindra e!
Kanto
andriary ( 21/01/2004 09:52)
Manana fihetseham po sy fomba famoahan kevitra hafa dia hafa ianao ry mampikanto.Eny lay sasakalina namohazany anao ka nahasahianao namoha varavarana azy aza midika zavatra...
fa iza ianao?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampikanto
Nampiditra : mampikanto
Daty : 24/10/2003 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098