Lazao (Mampikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO

Moa azoko atao
Ny haka metatra handrefy
Halavana havaventy
Izany hoe “Fitiavanao”?

Moa azoko fantarina
Amin-teti-drefy maripana
Ilay fitiavana tsy tana
Mba ho tsapako fa marina

Moa azoko lanjaina
Izany izy ka mafonja
Dia inoana tsy hiova
Hitondra tsiky vao maraina

Moa azoko bedaina
Mba ho ahy samirery
Hanasitrana ny fery
Sy hanala ny taraina

Moa azoko trotroina
Ao an-tratra mandra-maty
Zary sokitra ao anaty
Fitia sarotra disoina

Moa azoko jerena
Hotsapaiko mivantana
Aminao misy adana
Fitia tsy mba noterena

Moa azoko heverina
Amin’ny saina tsy miangatra
Ny ao anaty izay tsy fantatra
Izay iniana toa afenina

Moa azoko banjinina
Tsy amin’ny fo torotoro
Ny ho avy izay hajoro
Fitia izay ho andrianina

Moa azoko safoina
Amin’ny topi-maso monja
Izany izy toa manonja
Ka ho lalaina sy hajaina

Moa azoko lalovana
Amin’ny dia indray
Ny ao am-po izay tsy re
Zary sento sy torovana

Moa azoko tsenaina
Amin-tsiky tambitamby
Ilay fo mitady fanamby
Dia ilay fitia izay antenaina

Moa azoko halalinina
Ilay ao anaty izay mitroatra
Izay mipololotra tafahoatra
Izay tsy haiko fihinina

Moa azoko atao
Ny hampitraka indray ny foko
Izay nijaly nitoloko
Tao anaty haizim-pito tao

Moa azoko atao
Ny handre valin-teny
Mbola ho zary misitery
Mihaino aho fa lazao.



MAMPIKANTO
11/07/95 – 25/07/95
--------
Rohy:
3705 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampikanto
Nampiditra : mampikanto
Daty : 29/10/2003 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095