Safidy (Mampikanto)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY

Nitsingerina ao an-tsaiko ireo lasa tany aloha
Tebiteby ahiahy, nefa toa hafaliana ihany koa
Nefa toa voatery hisafidy sa hiandry izay ho anjara
Ny tontolo izay jinery no aoka hanambara

Dia nandalo indray ny alina, tonga teo ny maraina
Toa tara-pahazavana kely no mitsidika ao an-tsaina
Ry foko ô! Monona manaova alahelo Hendry
Ka ekeo ho fitondrana ity anjaranao sy tendry

Safidy manadala ny saiko tia karokaroka
No nandratra indray ny foko , ka indrisy toa maloka
Ilay masoandro andrandraiko, toa takovan-drahona indray
Noho ity safidy, zary kapoka hamaivay

Ny anjara hazo fijaliako, ho zakaiko eto an-tany
No fampionona ny foko, ka ilay alahelo sy tomany
No hiova tsiky indray rahampitso
Ka hanafaka ny taohtra amin’ilay safidy tsy ho diso

Safidy tokana no iriako handehanana
Safidy ilay ho anjara, tendry, vintana, lahatra
Safidy iray hampieritreritra manoloana ity sampanana
Safidy ho amin’ny tsara,manoloana zava-tsarotra

MAMPIKANTO
25/09/03 à 01h15
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
6316 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampikanto
Nampiditra : mampikanto
Daty : 04/10/2003 06:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106