Eny anabakabaka eny (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny anabakabaka eny
No sisa fanantenako

Eny mako no mba fialokalofako nefa rakofan-draho maity Mitatao zay monina mandavatao,

Eny no mba sisa fitaratra,nefa rahona Tsy mijanona fa ali-maitim-pahavaratra,

Eny anabakabaka eny no anidinana lay elatra
Nefa oram-batravatra godo ama-kelatra

Eny no mba irina hahasambatra,
Nefa raho mitatao amam-baratra

Eny no mba irariana diavola-kasambarana
Nefa rimba lay volana fenomanana

Eny no mba akana lay hatsaram-bitana
nefa lasa nandao ahy ireny kintana,

Eny apara- vodilanitra eny
Eny sisa mba fanantenako

Eny mako no mba fitsangatsanganako,
nefa tsihaiko fa toa rakofan-javona feno bibidia mapahonena ka tsy afaka onena,

eny aho no mihazana tantely,
nefa toa nandao reny ka rivotra sisa mifofo ka mameno ny foko

eny aho no mihazana vorona
nefa voary manetroka no mameno ny ao akorona,

Eny no itaratana taramasoandro,
Rehefa iny takariva mody masoandro,
Nefa aloka mangatsiaka Fa tsy taratra manjobika

(Ilay FANAMBY)
--------
Rohy:
397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 08/09/2021 13:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145