Mitady anao (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitady anao hatraiza hatraiza
Ity foko kely ry sakaiza
Miherika etsy sy eroa
Sao ianao mba eny koa

Fa tiako ianao ry olona iny
Ary angamba tsy ho tsiny
Ny hamboraka aminao
Ilay fitia anatiko ao

Ka n'iza hisakana n'iza handrara
Ny fitiavantsika roa
Tsy hanova ny tantara
Fa ho gina eo avokoa

F'efa ianao no anjara
Sy safidin'ity foko
K'avelao aho hanambara
Izany vetsovetsom-poko

Fa ny fitiavako rehetra
No atolotro ho anao
Fa tiako ianao tsy misy fetra
Tiako fotsiny amin'izao
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fitiavana - Alahelo
1564 1
Mpakafy: Raherizo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 29/01/2009 07:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123