mitaraina ny tany (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mahonena
No manjo ity firenena
Fa vahoaka maro an'isa
Izay efa an-tapitrisa
No mitaky fiovana
Izay ataon'ny fitondrana

Antananarivo maoderina
Potika lasa lavenona
Tsy nisy niangana intsony
Fa levona, may, nodoroany
Ny entana sisa tsy zaka
Fa izy hono no tompon'ny laka

Izao anefa tsarovy
Na iza na iza na zovy
Ary ataovy masaka an-tsaina
Tsy maintsy mbola ho tsaraina
Ireo mpandroba sy mpanakarama
Hamotika izato tanĂ na

Ny tantara dia mbola hitohy
Izay nakotrika mbola ho foy
Tsy maintsy mipoitra eny ihany
Ireo nahavita an'izany
Fa tsy matimaty foana tsy akory
Ireo olona izay nodoroany
--------
Rohy:
5255 1
Mpakafy: leGanG
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 14/02/2009 07:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139