Tsiaro anao (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro anao

Tsy fantatro intsony izay tokony ho atao
Fanina mihitsy aho fa manina anao
Ny foko marary, izaho te hitomany
Tsy haiko ianao any raha mahatsapa izany

Izaho aty mangina irery
Tokana monja, tsy misy mpijery
Tsy misy akory izay mba hiresahana
Hanala alahelo ary koa mba hafarana

Veloma hono hoe f’izaho mbola tia
Malahelo foana sy manina an-dry
Tsy tafandry mandry fa malahelo foana
Na andro na alina, mandava-taona

F’izao re no hafatra ataoko aminao
Ny foko tsy miova hatramin’izao
Fa tiako ianao, tena tiako tokoa
Fitia mandra-maty tena avy ao am-po

Mino aho anefa f’indray andro any
Fa mbola hihaona isika eto an-tany
Na ho ela na ho haingana anefa izany
Andriko foana izany andro izany
--------
Rohy:
2570 1
Mpakafy: ampelah
Hevitra mandeha
ampelah ( 03/12/2009 15:36)
Mampisento :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142