Eny andalana - Mandefitra
Azo vakiana?
Eny andalana
Eny andalana ombana,
misy fitaka mazĂ na
mety ko fakam-panahy
fa raha ny tiana no mitana
tsisy lalana malama
Foana hatreo ny ahiahy
Eny andalana hodiavina
mety ho maina moa ny ravina,
fa mbola ho maintso ny eny antsaha
Raha ilay tiana zay notiavina
Tsy mivadika, tsy miavona
ny adiady ho voavaha
Eny andalana hizorana,
mety ho lavo mety ho torana,
fa mitraka tsy manahy
Ny fitia nifanolorana
no zary tady hifatorana
@ ilay silaka am-panahy
Eny andalan ny fitia
satry foana hiaradia
Zanahary no mitahy...
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
fiaritiana (01/02/2006 15:13:36)
ouuuuay zany hakantonĂ -asa soratra e!mahafinaritra be!
zoky (02/02/2006 05:03:58)
tena efa lasa mpanakanto mitsy an!
Mandefitra (02/02/2006 10:22:41)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 31/01/2006
Mpamangy : 1218
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Zandry a!Vavaky ny Malagasy
Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Tsy hiady
Nofo iray
Ry tiako