You are here: home > Vetso

Ry tiako - Mandefitra

Azo vakiana?

Ry tiako
Ry tiako matoria, dia aza miahiahy
ny foko tena tia natokako ho an' ialahy
na tsy eo anilanao, mitempo tsy ankiato
zaho tsy hampirafy, mandria ivohon ny vato.

Etsy manofisa ny kanto nitosiana,
irony paradisa tanilan olontiana
zato safosafo, ny oroka tsy tana
nirehitra toa afo, nivimbina hafanana

Ny bitsika sy angola, ny toky sy ireo dina
ny fiarahamidola, ny tsikin olontiana
ny sangy sy ny tafa, ny vazo nohiraina...
aza mihafahafa,  alaivo sary antsaina

Raha taitra mitsikia, tsy nofy akory zany
fa tandindon ny fitia, hiainana hatrany
Ny elanelantany ho fitsapana ihany
f'izany Tiana zany, tokana antany

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

zoky (08/11/2005 13:11:53)

Tena tsara e! mankahery hatrany

zoky (08/11/2005 13:11:54)

Tena tsara e! mankahery hatrany

fiaritiana (08/11/2005 19:09:43)

ankafiziko tokoa reo tononkalonao,tsara e!tohizo

Mandefitra (09/11/2005 07:26:10)

Misaotra betsaka o

andrysecabi (11/11/2005 18:07:54)

Maozatra! Na an-tendako aza ny vona toa miha-manify!

Hametraka hevitra

Midira aloha