TSINGERINTAONA - MANDIMBY
Azo vakiana?
Moa ny mofomamy ihany
Fy kanefa mora lany
Na koa lamba mety rovitra
Sy kiraro haingon-tongotra
Sa hoe ravaka marevaka
'zay ho verin'ny tandrevaka
Na voninkazo am-pehezana
No mendrika ho fanomezana?
Tsia, fa ao koa ny teny
Tsy ambaka azy ireny
Ampy koa ny diam-penina
Mba hamoahana an-tsipelina
ny tian-kambara na tenenina
Ndeha fohaziko eto indray
'reo fomba nety fahizay
'reo ranombavaka tsy tola
'reo fafirano fahagola
Ho mamy ianao, ho tian'ny vola
Ho miran-dava, faly anaty
Hangidy lavitry ny faty
Ho heniky ny soa sy tsara
Tsy hilaoza-mananjara
Dia ho tretrika eny foana
Ho lava andro, ho voky taona
ireo ny tolotro hifalio
Fa fetinao ny andro anio
Tsy mba hanim-pitoloha
Fa antsa teraky ny fo
Hevitra mandeha
Mysento (10/09/2009 10:43:23)
Mombamomba
Mpanoratra : MANDIMBY
Nampiditra : makoutoDaty : 08/09/2009
Mpamangy : 5506
Mankafy : 2