Ho an'i Nirina - mangamaso
Ho anao ry sombiniaina,
Voankazon' ny fitia,
Nitombo votsavotsa,
Tao anatiko ao.
Niandry aho isan'andro,
Nihaino ilay fihetsehana,
Fotoana sarobidy,
Nahafeno ny fanahy.
Dia tonga ilay fotoana,
Nahitanao ny andro,
Zava-tsoa nitomany,
Niala ny kibon'i mama.
Io isika nifampijery,
Nisariaka aho, novalianao,
Ianao ilay nantenaina,
Nahafinaritra indrindra.
Avy aho nidera,
Fa toy ny anjely ianao,
Zazakely tsara tarehy,
Vokatry ny fitiavana.
Tritriva 26/08/08
Sokajy :
Fifaliana
Hevitra mandeha
maeva74 (11/08/2009 06:32:59)
Tsy misy fahasambarana mihoatry ny hoe " Reny aho "
mangamaso (11/08/2009 07:08:29)
Izany mihitsy ry Maeva,
Fahasambarana tanteraka,
Antsika vehivavy io ;-)
Mombamomba
Mpanoratra : mangamaso
Nampiditra : mangamasoDaty : 10/08/2009
Mpamangy : 1238
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Pour toi mon angeIzaho sy Ianao