You are here: home > Vetso

ny fiainako - masofahatelo

Azo vakiana?

      Ny fiainako..!
E ! izany fiainako marina mafy
Tsy ambony tsy ambany toa inona ?
Isanandro tsy maintsy miafy
Na mangidy toy ny kininina …

Honjohonjoko izaho samy irery
No mandeha fa tsy misy amaharana ;
Ka na tazo na gripa mahery
Dia midongy tsy mety mamarana !

Ny havana sy ny sakaiza,
Ao an-tsaiko toa nofy avokoa
Tsy hita nanakaiza, nankaiza ;
Nanjary namaky ny fo !?!

Ry zoky ô ! ry dada ry neny ;
Fa nankaiza izato fiadanana,
Tsy re-tsaika, tsy reko miteny
Sa izaho no tena hiangarana ?
                                              
                   Masofahatelo

Mombamomba

Mpanoratra : masofahatelo

Nampiditra : masofahatelo
Daty : 14/01/2008
Mpamangy : 1628
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha toa
fivoarana
avia!
sompatra
ny saina
ra-vola
mandalo
sarotra ny mifidy
raoviana