sarotra ny mifidy - masofahatelo
Azo vakiana?
Ny fo no tompon’ ny fo
Ka anjaranao no manontany
Raha tena ananany tokoa satria
Efa milalao azy ny eran-tany.
Ananako izy ‘nefa
Isanandro aho no misaina
Hoe: @ iza aho no hiantefa
Sao ho lasa karakaina!?!
Ty foko manirery
Nefa be mpitsriritra
Raha ho etsy toa ho very
Ka ny tsara koa tsy ho ritr’e!
Ao ny mena; ao ny manga
Samy manana ny hakantony
Ao ny jejo ao ny janga
Fa hafa ihany izany maontina!
Mombamomba
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahateloDaty : 03/01/2008
Mpamangy : 1188
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raha toafivoarana
avia!
sompatra
ny saina
ny fiainako
ra-vola
mandalo
raoviana