sompatra - masofahatelo
Azo vakiana?
Sompatra
Tsy ny tsy tia anao ihany akoory
No afaka anao izany;
Fa na ilay mpanala sorisory;
Sy maminao io aza dia bibibiby ihany.
Izany fiaiana indrisy
Feno karazan-java-maro,
Ny tsara sy ny ratsy tsy hita isa
Eny no miosina sy mifangaro!
Fa nahoana moa no misy foana
Izany raomaso izany?
Raha mbola andro, na taona koa ny taona
Dia ny hasomparana tsy ho lany!
Na io akaiky anao io aza
Toa tia sy mankamay anao;
Miseo ho malemy paika mitovy ny zaza
‘nefa mitetika ny handratranao…
nohon’ny bika tsy tiako tarehy
indraindray fialonana fotsiny ihany,
fankahalana tsy mety voafehy
mamokatra lonilony tsy roa amantany.
Na Havana na namana na olon-tiana
Ny hisompatranao no mba tiany ry ‘nao
Nisongona ahy izy; tiako hampijaliana
Ireny mpisompatra tsy mba ho vanona!
Masofahatelo!
Mombamomba
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahateloDaty : 20/01/2008
Mpamangy : 1432
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raha toafivoarana
avia!
ny saina
ny fiainako
ra-vola
mandalo
sarotra ny mifidy
raoviana