Hiran'iza? (Massnatany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga hilaza amiko hono ianao androany
Ny momba anao rehetra tsy fantatro, tsy hitan'ny masoko any amin'ny sisiny any !
Tsy vao ela akory isika no nifankafantatra,
Hitako sahady aminao ilay "aza manadino", ilainao koa ny "homeko ny hafatra"
Tsy nasiana kozy maro,
F'efa maika loatra ny hifangaro
Isika ! tsy nisy fotoana nisian'ny fahasarotam-piaro,
Hataoko inona?? An-tsaiko milamina,
F'ianao no ataoko fanina,
Tojo fifaliana, mifona, malaina, tsy mety hiala am-pandriana ...

'Zao milaza ianao f'efa manan-tompo any amin'ny ilany any,
Ianao 'zao ve dia ho "single"? 'Za 'ty tsy nanan-tsaina ny hanontany intsony !
Fony ianao fantatro tsy nisy peratra, tsy nisoratra hita taratra teny amin'ny andrinao !
Ary ianao tsy nilaza tamiko raha tsy eto
Tsy namoaka teny afa-tsy sento,
Na hiaka...
Toa ny famenoako anao fa milay foana ny antsika !
K'inona hoy ianao indray no hatao, mba lazao,
Teneno tsotra, ambarao !
Misy zavatra andrasanao amin'izany aminah 'ngah ????

Ka ny hirahiran'iza indray ary no hiraiko eo?
Rehefa tojo fifaliana ianao tsaroako fa mampiaka-peo,
Sady fantatro ianao fa tsy maintsy mbola hiverimberina ho tiana
Hofenoiko ny hafanana, hitondra fanaviana
ka ny hirahiran'iza koa no tianao hovetsoiko,
Tsy maintsy ho tonga foana ianao raha antsoiko an-tsokosoko
Fa hataoko tsy hisy mpahalala, tsy hisy mpahita
ka androany aloha aleo hatao hoe "samy vita" !
...
(hitohy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1172 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Massnatany
Nampiditra : Massnatany
Daty : 05/01/2011 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141