Amin'izao fotoana izao (Matody)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'izao fotoana izao
Ny tsy tokony atao lasa fanao
Miova ny zava-drehetra
Ny madio lasa voretra

Ny antitra te ho tanora
Ny tanora tsy mahafehy tena
Ny ankizy maditra isan'ora
Tsy misy intsony ny azo jerena

Ny ambany lasa ambony
Ny antonony,efa tsy misy intsony
Lasa soavaly tapa-kofehy
Mirifatra,toa tsy misy mpifehy

Mivadika ny kolon-tsaina
Ny an'ny hafa no tena lalaina
Ny an'ny tena tsy raharahina
Ndraindray ary,tena ambaniana

Atopatopan'ny kanto vahiny
Ka iny nanjary nivily
Nitsimbadika ambony ambany
Fisainana mirefarefa amin'ny tany

Toa resaka sisa ny hoe tanora
Ny toe-tsaina nefa tsy voafora
Avilivilin'ny zava-mandalo
Ny fahamatorana,toa fahavalo

Tsy manana ny maha izy azy
Toa ohatrin'ny mandehandeha ho azy
Dia maka tahaka an'ireo hoe "Star"
Nefa ny fari-pahaizana mbola afara.

Mivoaka daholo ny karazan-damaody
Dia arahina fotsiny fa hoe lamaody
Toa tsy mananana hazon-damosina
Fa atao daholo izay ren'ny sofina

Taloha,rakofana ny tsy fampiseho masoandro
Ankehitriny, ny foto-pe no sisa miakanjo
Ny fomba fiakanjo taloha,mihaja rehefa mivoaka
Fa ankehitriny,aderadera ny tsy fampiseho vahoaka

Ny fahendrena,efa tena tsy azo antoka
Mba anarina ihany,fa manao mafy hatoka
Ny ditra,mampiteny ny moana
Ny anatra moa,efa tsy ahoana

Ny tenin'olobe tsy raharahina
Fa lazaina fa hoe manakiana
Ka milaza fa mahavita tena
Nefa Votsa saina,mihenahena

Ny hira taloha
Mampihetsi-po
Fa ny amin'izao fotoana
Mampihetsiketsi-poana

Ny dihy dia efa tsy misy fetra
Fa atao daholo ny fihetsika rehetra
Miholakolana,mitongilahilana
akanjo rovitra,manao satro-bilana

Tsy hay ny mandanjalanja
Sady tsy mifidy taranja
Ankehitriny,tsy hay intsony ny manaja tena
Fa atao daholo satria tsy misy faneriterena

Mba fanteno ihany ny zava-baovao
Fa tsy atao daholo izao rehetra izao
Fantaro aloha ny tenanao
Dia aza manao ny tsy fanao

Ny lamaody tsy mety ho an'ny rehetra
Fa mba fidio,ka mieritrereta
Kanto amin'ny hafa,tsy kanto aminao
Dia fidio tsara,sao haingo kalalao


Atsipy ny teny ao am-pon'ny mahalala
Hafatrafatra,fa tsy hoe akory fankahalana



Matody
Maholy T.
--------
Rohy:
Sokajy : Malagasy mankany
1488 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Matody
Nampiditra : Matody
Daty : 24/01/2014 16:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101