AMPARA-TAZA-MASO ! (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampara-taza-maso any ambadiky ny bonga,
Hany sisa misy endrika vinaina ho anao...
Ry tanàna maro loko, fenomanana andro sy alina!
Ry Iarivo rotoroto, fa ialana mahamanina!

Mijoro ho vavolombelona, tsara hivelan-tsihy
'reto taranakao mivoatra fa migoka fahantrana!
Izay voninahitrao dia efa voahosihosy!
Raha nitsangana hamono ireto zanaka nitosy!

Imerina malala, tany lemaky ny andriana...
Anie izao tsy manam-bary sy mitsetra hatak'aty!
Tanim-potaka mandrevo, hosoka, ady, tsena, fako...
Fa mamelona mpampoly sy mpanjono amanjato!

Nefa tsy ory olo-mihaja, mianjaika fanaperana,
Fa, roa ampahatelony : fanetry be mpambotry!
Ampara-taza-maso : tody tsara mba hantsoiko...
Hanova ny olonao ry Renivohitra tsy foiko!

Rey olon'ô! Olobe fanao aza mahafadia,
Ilay nanapa-doha vady, na mpanolana ankizy!
Mena maso, mamo lava, ratsy lamba nohon'ny adala...
'reo zaza tsy mahay misaotra, hoavinao ry Gasikara!

Tsy matahotra misotro mondron-kery tsy an'ny tena!
Tsy hahantra tontakely raha ny eto Analamanga!
Lasa tia maningotr'aina, nefa efa nampianarina,
...hanahy 'zay hady lalina tsirihi-mahafanina!

Zatovo nanan-daza nifaninana ho mendrika,
Niteraka mpanimba sy mpiliba, diso nihanta!
Antananarivo, zaridainam-pahendrena...
Ilay sahan'ny mpanota, rakotra mpivarotena!

Diavolam-penomanan-takariva ve haredona?
Vazon-janaka tantsaha ao anaty faribolana?
Marodona eh! sy trondro vaovao, sa vitsilihy?
Mahamenatra azy ireny fa tsy tekinaolojia!

Raha tsy mpitoratoraka, mpanao adrakandrana,
Di'antsanga tsy hary na kabary ambony vavahady!
Tsy henjehin'ombalahy raha izay mpitondra fanjakana!
Fa..."Ny vahoaka no mahantra hay", hoy Ramboasalama!

Raha nalevin'ny taranaka ny anara-dray sy reny
...fahendrena sy ny hozon-drazatsika malagasy,
Tazano ery amparataza-maso ery raha mahatanty!
Na rahoviana, tsy ho azonao fitahina ny maty!

Ampara-taza-maso, eny lavidavitra eny...
Eny ny ambiroanao no mitomany tena sisa...
Eny no hahitana ny endrikendrikao fahiny,
Hindrahindran'ireo Ntaolo, tompon'iny lalana iny!

Ampara-taza-maso any ambadiky ny bonga
Hany sisa misy endrika vinaina ho anao...
Ry tanàna maro loko, fenomanana andro sy alina!
Ry Iarivo rotoroto, fa ialana mahamanina!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
22/05/2021
16h 18 HM
--------
Rohy:
583 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 22/05/2021 13:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103