HAFATRA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ho aiza ianao, na ho aiza...
Ho tsinjonao foana ny aloky ny tenanao
Na hazava na ho mainty ny lanitra eny ambony!

Na manta, na ho loa...
Efa nisy vokany ny voa nafafinao
Tamilay toeran-dasa, tsy hiverenanao intsony!

Na hiteny, na hangina...
Manangatra any ho any : ireo velona sy maty
Nanamboatra fomba fiaina nohon'ny vavaratsinao!

Na ho tody, na ho tsiny...
Tsy manana anjara amin'ny fiainan'izy ireny
Raha ninia nanototra azy ny andry niankinany!

Na hitsiky na hisento...
Tsy mahay mamoifo : Ny tena vehivavy
Fa mandanja ka mihataka izay tena fahavalony!

Na kafara na ho hafatra...
Tsy atao tsinontsinona : ny Fo miankin-doha
Mba tsy hampivadika azy ho poizi-mahafaty!

Na tsy nosoratako aza...
Dia efa any ampon'ny manam-pandeferana
Ny fetran'ny hatreto, fatran-danja fara-zakany!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
22/09/2021 à 12H39
--------
Rohy:
648 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 22/09/2021 09:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105