ITO TSIKIKO ITO (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ito tsikiko ito, tsy sanatria akory : fandatsako anao.
Fantatro, fa fo sy...saina tena tia no milaza izany anio.
Fa raha zato taona no atokanao ho ahy, ka hoe tsy hiova ianao?
Mety ho zakanao, na tsia...aza malaky miozona, f'izao no tadidio!

Efa fantatrao tsara fa tsy maty ankazo tokana ny tena lehilahy
Mety rahampitso ihany dia ho safotry ny onja ny hambom-po namelana.
Raha andeha indray ny taona, ka hanjary karakaina ny lemaka eny antsaha,
...na ho ela, na ho aingana dia'hangina ny kamory! Ny tsiriry manan'elatra.

Mpivahiny aho, ka izaho no tonga lafatra eto imasonao
Hahalala ahy ianao, ka ho zatra ny fisiako, sy ito tsikiko ito.
Fa hatsatso toy ny fary izao molotro malefaka mahafatifaty izao...
Na hilaza aza ianao fa tsy hanadino, mampatoky fa ho tiako!

Tsy ianao intsony no hijery sy hitady handresy lahatra ahy,
Fa ny andrompiainako sy zavatra nafioko nohon'ny fanajako anao.
Lasa izaho indray no hitalaho fitiavana amin'izay fotoana izay.
Satria, manerana ny tontolonao dia : Feno zava-baovao!!!


Anjaramalala Ramanamanjato
22/08/2021
18 : 38 HM
--------
Rohy:
713 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 22/08/2021 15:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105