MANGIDY (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ririnina ny andro...manaintaina sady mangirifirin'ny hatsiaka ny atidohako sy ny
vanintaolako mikatrokatro....mahia aho...kely foana ny tsy hitovizako amin'ireny ahitra
atsipitsipin'ny tsy misy ireny, amin'ity tongotro mamikiviky efa mila tsy ho tsapako intsony ny
fikasohany amin'ny tany, impolo kely izy no tafintohina fa tsy manampotoana hahatsapana akory
ny aretin'ireny....mangovitra ny molotro...mafy nohon'ny isan'andro izany rivotra androany alina
izany. Mitsipalotra tsy satry ny masoko dia mandeha ny saiko, mahatazana varavarankely sy
lavarangan'olona mirehitra jiro.Voasinton'ny oroko tsy fidiny koa ny fofona manentoenton'ny
laokandry zareo, ilay vehivavy somokitra sy mivezivezy, mivazavava indraindray...io izany izao no
renimpianakaviana ao amin'io tokantrano io. Lasa fahazarako isaky ny mandeha tongotra
hanenjka fiara hodiana toy izao mantsy ny mandinika fiainana, izay sisa no fotoana mangina
ahafahako manao izany...Mazàna anefa tsy fiainako, fa...ny an'ny olona...izay mahafinaritra,
sambatra...satria...ny ahy toa tsy misy mahaliana...intsony!!!
Tena mangina ny tanana...Niraorao mafy taty ampototsofiko ny feon'ny moteran'ilay fiara
nandehanako teo ...sendra taratry ny jiron'iny fiara iny, misy telo mianaka mijaikojaiko, toa
matahotra ka mitsoaka te handositra ity haizimpito mamanton'alina, izy mivady miaraka amin'ny

zazakely...mamikiviky toa ahy...miloloha entambe ramatoa avy ao aoriana, somary mihazakaza-
madinika ka mipakopako be hiany ny kapa sikibidoany manify dia manify, satria lava dingana

loatra rangahy ka mandodona azy matetika avy tao alohany, mitrotro ny zaza efa renoky ny
torimaso, zara aza izy mba tsy mahare izany hatsiaka izany anatin'iny lamba bodo kely mba
namonosan-dreniny azy iny. Sambatra ry zareo...maivana mantsy ny entany fa mbola misy
hifampizarana...tsy mba ho tsapany izany fahanginana satria izy tsy tokana.

Iria-mahaory anefa ny fanambadiana...niferin'aina mafy aho indray andro tamin'ny
lelalelan-dRamatoa iry manala ny fony rehefa sendra kizintina amin'ny mahazo azy izay. Mainka
mahasorena be hiany rehefa izy toerina amin'iny, ny ranomasony lavareny miantso tody sy
mamarafara, midongy ny rariny ho azy izay. Tsy dia zakany lotra aho rehefa miteny...indrindra
tamin'ny fahatanoranay...Hany heriko dia mandositra mitady làlana hivoaka ny trano, ary
mahakivy sy mahakamo ahy ny mody!!!

Nisintaka i Raozy vadin-tsofera tao avaratray...Lehilahy maditra tsy tia tokatrano hono sady
fotsy varavarana. Asa na dia inona loatra ny hadisoan-dRamano tao fa, avy miasa amin'ny fito
hariva izy mihazakazaka mamonjy ilay zanany vavikely vao herintaona, ampitaizany any
atranon'olona any ambadimbadika any manomboka amin'ny enina maraina, tsy manan-kavana eo
an-tanàna mantsy izy. Amin'ny firy alina izy mianaka mbola enoko mikenokenona
ao...kenonkeona mangina satria, tsy misy jiro ao amindry zareo...fa hoy aho hoe...Sambatra ihany
izy, fa mbola tsy irery.Henoko avy aty ny tabataban'ikala kely, indraindray faly, im-betika
mitomany...ny lovia sy sotrony mikapoka rehefa misakafo.
Eh! Efa ela mantsy no tsy re tato antrano intsony ireny feo ireny, izany fofona izany...tsy
nisy na vain'afo iray aza nirehitra tato...fito ambiny folo taona teo ho eo izay...Hatramin'ny
niverenako avy niasa tany Antsiranana tamin'ny taona roa sy roa arivo. Tsy tratrako tato intsony
izy mianaka. Vehivavy namanamany tety an-tanàna no nitantara ny nialany an’ity trano ity taty

aoriana : "Lasa hono izy fa ianareo efa nanambady tany Diego". Ady be tsy nisy nifanaovam-
beloma anefa no nisarahanay teto...Siosion-dresaka tamin'ny fianakaviana koa no henoko hoe:

lasa miavona be sady niova fitafy izy, novainy hatramin'ny lokom-bolony...mipololotra
sigara...sns. Eny, izaho no diso, nandao azy irery teto.
Mangidy ve ny fahanginako mitanisa ny lasa sa manenjika ahy ny eritreritro ? Nitondra ahy
nankaiza ny hambompoko ? Eny, hambom-pondehilahy...Asa lahy...fa...manina azy aho izany.


Anjaramalala Ramanamanjato
19.08.2019//20:00
//dans Asa soratra miverina
--------
Rohy:
473 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 03/04/2021 15:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193