RAMANAMALAZA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iry tendron-kazo avo iry, oriory,tazaniko an-tsaina.
Dia mampahatsiaro ahy indraindray ny fijoron-dRamanamalaza!
Misamboaravohara mandihy rehefa mamon'ny rivo-maraina!
Tsy nety afa-po tamin'ny fiainany, dia niondrikondrika lava!

...Ramanamalaza mpanota, maditra, mpandika lalàna
Mpanakorontana lava sy mpitabataba ao antranony
Matevin-koditra hono raha resaka fahadalana.
Masia-doatra ka tsy nahatamana ny vady aman-janany!

Ny zavona isa'maraina no hany mpanasa ny tavany
Ranon'ando amim-bozaka lava hoy izy no mpanafosafo.
Dia voninahitra ho azy hono fa mahakivy mpitazana
Ny molony vaky fa tsy hilany menaka manitra lafo!

Sakaizan'ny mpanao afera madio teto ambany tanàna
Fa naman'ireo mpanambaka ny zanaka mpanankarena
Maloto, ka niafina izay rehetra nety ho fahatsarana
Satria mavomavo ny ati-vilany fa tsy menamena!

Kelikely talohan'ny nahafatesan-dRamanamalaza
Dia nody ny zanany dimy, nahatsapa ny fahadisoany
"Na nivarilavo nanindra ny toaka ho mpisolovava,
...sy hisotro foana aza ianao dia tsy hilaozanay irery eto intsony!"

Dia nibaradaka hono Rangahy, f'efa mb'antitra ihany
Diso aho, na tsy afaka ny tsy ho rà nikoriananareo!
Samy nahita ianareo tsaratsara kokoa tany ho any!
Fa ny ahy ny anjarako, nentiko, tsy mbola nentinareo.

Be aza ny mafy izay nampitondraiko anareo teto antany!
Fa nety mba nisy fitiavana matoa ianareo nahatsiaro.
Misaotra fa tsy hanadio tena aho satria di'olombelona ihany!
Ramanamalaz' hono tsy mba niangaran'ny fiaina-mandalo!

Tsy fantany intsony hoe : iza no tokony homena ny tsiny
Ny tenany? ny manodidina ve?...sa ankoatra izany?
Mba niezaka niova ihany hono mantsy izy iny fahiny
Fa nitombo arakaraky ny herin'ny sainy ny siakan'ny tany

Ny fiainana dia sangisangy amin'ny onja mahery
Be setrasetra sy tsinjotra mampitaraina tsy satry!
Hainy ny mampifangaro ny vahona sy ny tantely
...Sy mampifandimby ny tsiky amin'ny tarehy ratsy.

Tokana ihany hoy izy no hitsara ny lala-naleha!
Tokana ihany ny tompo Tompoina : mpahary ny tany
"Izy nanolotra ho ahy, ka handa fanomezana ve?
Zakako matoa nanendreny, ary fantany izany!"


Anjaramalala Ramanamanjato,
05/06/2021
18h 51 HM
--------
Rohy:
594 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 05/06/2021 15:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102