TOMANY ? ? ? (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao lasa mantsy ianao dia, nahonony mafy ny fony
Fantany hono mantsy fa tsy hiverina intsony
Voadona mafy ihany izy tamin'iny andro iny
Fa naleony koa nanaja ny safidin'olontiany.

Izay velomanao farany, niriany, nantenainy!
Dia ilay tsy naloakanao fa nataony tany antsaina!
Naleony tsy niteny fa mandratra tena izany,
Tsy ho henonao nahoviana hoe tomany izy, tomany!

Injao naveriny ao antsaina izao ny lasa tany aloha.
Ny tsara, ratsy, mamy, na mangidy rehetra koa.
Ireny indrindra hono no nanala tsiny anao...
Efa "NAMELA ANAO" hono izy, na tsy niezaka aza ianao!


22/08/2021
20 : 13 HM
--------
Rohy:
591 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 22/08/2021 17:17
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01