Sorona - Mazavatsinana
Azo vakiana?
Nitomany isanandro
Nanirery, nihidy an-trano,
Lay nihevi-tena very
Nanongo tena ka niery.
Nandao hono lay malalany
Zay mba hany sila-panahiny,
Naneso sy nandatsa azy
F'iny ianao tsy mendrika azy.
Nahatsiaro very maina
Lay nametra-pitokiana,
Diso nanantena, ka tsy tana
Nikasakasa hamonjy fodiana.
Nieritreritra izy ka namorona
Zay hanadinoany ny lasany,
Ny ainy mantsy no nasorona
Novonoiny fa tsy tantiny.
Mombamomba
Mpanoratra : Mazavatsinana

Nampiditra : TRRV
Daty : 29/03/2017
Mpamangy : 740
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy habembona ahoZandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Misosa
Ny lasako